2 Corinthians 6

1Miara-miasa aminy, izahay ihany koa dia mampirisika anareo tsy handray ny fahasoavan’Andriamanitra fahatany. 2Fa niteny izy hoe: “Tamin’ny fotoana mety dia nihaino anareo Aho, ary tamin’ny andron’ny famonjena dia nanampy anareo Aho. Jereo, ankehitriny no fotoana mety. Jereo, ankehitriny no andron’ny famonjena. 3Tsy mametraka vato fanafintohinana eo anoloan’iza na iza izahay, fa izahay tsy maniry ny haharatsy laza ny asa fanompoanay.

4Fa kosa, izahay dia manaporofo ny tenanay amin’ny asanay rehetra, fa mpanompon’Andriamanitra izahay. Izahay no mpanompony amin’ny fiaretana be, fahoriana, fahaterena, fahasarotana, 5ireo kapoka, fanagadrana, fikomiana, amin’ny asa mafy, amin’ireo alina tsy misy torimaso, amin’ny hanoanana, 6amin’ny fahadiovana, fahalalana, faharetana, fahatsoram-po, amin’ny Fanahy Masina, amin’ny tena fitiavana. 7Izahay no mpanompony ao amin’ny tenin’ny fahamarinana, ao amin’ny herin’Andriamanitra. Izahay dia manana ny fiarovan’ny fahamarinana ho an’ny tanana havanana sy ny havia.

8Izahay dia miasa amin’ny voninahitra sy amin’ny fahafam-baraka, amin’ny fanaratsiana sy ny fiderana. Izahay dia voampanga ho mpamitaka kanefa izahay dia marina. 9Izahay dia miasa toy ireny tsy misy mahafatantra ireny kanefa izahay dia mbola fanta-daza. Miasa toy ny ho faty izahay-jereo-mbola miaina izahay. Miasa izahay toy ny saziana nohon’ny asanay nefa tsy toy ny voaheloka ho faty. 10Izahay dia miasa toy ny malahelo, kanefa dia mifaly lalandava. Izahay dia miasa toy ny mahantra, kanefa dia mampanan-karena olona maro izahay. Miasa toy ny tsy manana na inona na inona izahay kanefa toy ny manana ny zavatra rehetra.

11Izahay dia niteny ny marina rehetra taminareo, ry Korintiana, ary ny fonay dia mivoha midanadana. 12Ny fonareo dia tsy nofehezinay, fa ianareo no namehy ireo fihetseham-ponareo manokana. 13Ary ho valiny ara-drariny-miresaka aminareo toy ny amin’ny zaza aho-voay hidanadana ny fonareo.

14Aza mifamatotra amin’ireo tsy mpino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Fa inona no iarahan’ny mazava amin’ny maizina? 15Inona no mety ho fifanarahana eo amin’i Kristy sy Beliala? Na inona no tokony anjara ananan’ny mpino iray sy amin’ny tsy mpino iray? 16Ary inona no fifanarahana misy eo amin’ny tempolin’Andriamanitra sy ny sampy? Fa isika dia tempolin’Andriamanitra velona, araka ny efa nolazain’Andriamanitra hoe: “Hitoetra eo amin’izy ireo Aho ary handeha eo amin’izy ireo. Izaho dia ho Andriamanitr’izy ireo ary Izy ireo dia ho oloko.”

17Noho izany, “Mivoaha iala eo amin’izy ireo, ary mitokana,” hoy ny Tompo. “Aza mikasika zavatra maloto, ary Izaho handray anareo. Izaho dia ho Ray ho anareo, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy”, hoy ny Tompo Tsitoha.

18

Copyright information for PltULB